- Publicité -
dimanche 2 avril 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMahajanga : Taxi-brousse nivadika

Mahajanga : Taxi-brousse nivadika

Tetsy avaratr’ Andranomamy, làlana mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga eo amin’ilay tanàna  antsoina hoe Ambalavondro no nandeha mafy ity fiara taxi-brousse hiakatra aty Antananarivo. Niala lalana ily fiara ka dia nivadika avy hatrany, olona telo tao antiny no naratra tamin’izany ,ka nentina notsaboina tamin’ny hopitaly tsy lavitra nisehoan’ny loza. Tsy dia naninona moa ireto mpandeha naratra ireto fa ny fiara kosa no nahitana fahasimbana ihany tao aorian’ilay fivadihana nihatra taminy. Efa matetika ho re isan-kerin’andro moa ny lozam-pifamoivozana mitranga amin’ny lalam-pirenena toy izao, ary matetika dia loza ateraky ny tsy fitandremana ataon’ny mpamily no hiavian’ny loza.

Maika loatra ve sa misy ora tsy maintsy enjehina, fa dia hadino fa ain’olona no entina ka raha sendra ny loza tampoka , na ratra na fahasim-banjavatra mba tsy hilazana fa mety hatramin’ny fahafatesana aza.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser