- Publicité -
vendredi 3 février 2023
DomicileFaits-DiversAnosy : Fianianana nataon’ireo zandary « Officier de police judiciaire »

Anosy : Fianianana nataon’ireo zandary « Officier de police judiciaire »

Nanao fianianana ireo « Officer de police judiciaire « tao amin’ny zandarimariam-pirenena. Zandary manamboninahitra mitondra ny galona « sous-lieutenan t» 12 sy « gendarme principal 2éme classe » 236 no nanatanteraka fianianana ny zoma maraina teo,tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy. Tsy afaka misahana ny asa na ny andraikitra mikasika ny fanenjehana ny mpandika lalàna toy ny fitazonana olona (mesure de garde à vue), ny fisavana trano, ny fanadihadiana maro samihafa izy ireo raha tsy mahavita fianianana toy izao. Ny paika ady momba ny paika ady heloka na « code de procédure pénale » no mifehy azy ireo amin’izany, ary mitovy tanteraka amin’ireny olona ambony amin’ny raharaha mikasika fitsarana ireny. Santatra am-bava rano ihany izao fa mbola hanatontosana toy izao avokoa ny Renivohi-paritra misy Lapan’ny Fitsarana rehetra misy ireo zandary vao mivoaka ny sekoly ambony avy any Moramanga ka nahazo ny galona GP2 sy S/Lt izay lasa Officier de Police Judiciairena OPJ avy hatrany. Marihana fa zandary miasa eto Antananarivo ireto vita fianianana ireto ary natao teo amban’ny fiahian-dRamatoa Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo. Anisan’ny nanome voninahitra izany ihany koa ny Jeneraly Zatomanana Léonard, komandin’ny GFS Ivato izay nisolo tena ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser