- Publicité -
lundi 27 mars 2023

Bref

# Ankizivavy roa notetehin’ny dahalo tamin’ny famaky. Hatramin’izao mbola tsy ahitam-bahaolana mahomby ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy. Ny alahady teo dia dahalo ampolony nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa no nanafika tao Morafeno. Very nandritra ity fanafihana mitam-basy ity ny vola iray kitapo sy basy. Tsy vitan’ny nandroba fananana tamin’ny tokantrano iray ihany ireo olon-dratsy fa notifirina teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano norobain’izy ireo ary notetehin’ireo tsy matahotody tamin’ny famaky ny zanany vavy roa rehefa tsy nety naolana.
Manitrisa

# MAHANORO.  Lehilahy nanolana vehivavy marary saina, matin’ny fitsaram-bahoaka.  Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tany Ampampanambo Mahanoro, ny asabotsy teo. Lehilahy iray voalaza fa saika hanolana vehivavy iray marary saina no matin’ny fitsaram-bahoaka. Talohan’io asa ratsiny io ity lehilahy ity dia mbola namono sy nandratra olona anankiroa niezaka niaro an’ ilay vehivavy saika haolany. Tezitra ny fokonolona ka hatramin’ny polisy nikasa hiaro an’ilay mpihetraketraka mpanolana ity voatora-bato. Tsy namelan’ny olona raha tsy maty izy. Niverina sy nahazo laka indray ny fitsaram-bahoaka amin’iny faritra Atsinanana iny tato ho ato. Ao raha !

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser