Samy nirimorimo mafy ireto fiara taxi-brousse mazda sy fiara tsy mahataho-dàlana range rover . Moramaga PK 115 no nisehoan’ny fifandonana, nifandona ireto fiara ka potika , mpadeha enina avy ao anaty taxi-brousse no naratra ary roa kosa avy ao anaty fiara 4×4. Avy hatrany dia nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ireo naratra ireo ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa.
ALEM