- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMahazoarivo-Antsirabe : Rangahy iray maty nilatsaham-baratra

Mahazoarivo-Antsirabe : Rangahy iray maty nilatsaham-baratra

Lehilahy  iray manodidina ny 56 taona eo no maty nilatsaham-potaka ny talata 18 martsa lasa teo tao Mahazoarivo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva teo. Raha somary niato ny orana teto Antsirabe fotana vitsivitsy lasa izay dia niverina indray izany ankehitriny. Saika miaraka amin’ny kotro-baratra mehery vaika hatrany ny ora mikija ho an’ny renivohtr’i Vakinankaratra  tato ho ato. Vokany: raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano  nilatsaham-potaka tao Mahazoarivo.  Araka ny fanazavan’ny mponina teo amin’ny manodidina dia roa lahy izy no niaraka tamin’io fotoana io, ny iray namahana kisoa ary ity nilatsaham-baratra  ity kosa niantso  tamin’ny finday teo an-tokotany  tsy mifanalavitra loatra amin’ilay namany. Tao anatin’ny segondra vitsy monja anefa, poa tahaka izay, nirefotra ny varatra ary tany amin’ity rangahy ity no niantefa. Maty  teo no ho eo ilay rangahy. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso dia lasa maina tenteraka ny vantany, toy ireny olona tsy misy ra ireny,  lasa fotsy hatsara nefa zarazara ny fihodirany. Tsy toy ny fandre matetika koa ny zava nitranga, toy ny hoe nanjavona ny lelany na zava-trafa, fa mbola hita tao avokoa ny taovany rehetra. Anisan’ny faritra tena  mbola anjakan’ny latsa-baratra  ny  faritra eto Vakinankaratra, indrindra fa ny any ambanivohitra. Nahavariana ny maro ihany mantsy ny zava nitranga teny Mahazoarivo an-tampon-tanana  nandritra io andro io, feno ” pilone” sy fandri-baratra mantsy eny amin’ny manodidina nefa dia tao amin’ity rangahy no nilatsaka ny varatra.

 Andry N.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser