- Publicité -
vendredi, mai 27, 2022
DomicileFaits-DiversAndavamamba : Natsipiny avy eny ambony rihana ny vadiny

Andavamamba : Natsipiny avy eny ambony rihana ny vadiny

Teny Andavamamba no niseho ity famonoana vady ity. Tezitra mafy ilay lehilahy ka sahiny ny nanipy ny vadiny tany ivelan’ny trano avy eny amin’ny rihana fahatelo. Soa ihany fa ny tongontr’ilay ramatoa no nandeha nialoha. Na izany aza anefa, naratra mafy izy ary tsy maintsy nentina hopitaly notsaboina. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa efa fotoana elaela no nandrenesan’ny manodidina ny fifamaliana teo amin’izy mivady, rangahy 50 taona, ramatoa 22 taona. Ny alarobia anefa, tonga teo amin’ny tsontsorimamba isarahana ka dia vitan’ilay rangahy ny nanjera ny vadiny avy eny amin’ny rihana fahatelo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser