- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnkorondrano : Mpitondra bisikileta naratra voadonan’ny fiara

Ankorondrano : Mpitondra bisikileta naratra voadonan’ny fiara

Omaly hariva efa maizina, mpitondra bisikileta iray no nodomina fiara teny Ankorondrano. Nitrosona tamin’ny tany ilay lehilahy ary naratra be teo amin’ny lohany. Ilay fiara nandona kosa, tsy nijanona fa lasa nanohy ny diany. Mbola nisy mpandeha ihany tamin’ny ora nisehoan’ny loza na dia alahady aza. Teo ny nilaza fa naka afovoany loatra ilay nitondra bisikileta ary somary nivilavila. Efa niala azy ihany ny mpamily ilay fiara nefa dia niseho foana ny loza. Nahatsiaro tena tsara ilay voadona ary mbola nikiry nitondra ny bisikiletany hamonjy asa eny Ivandry na dia mbola nivembena aza.

r.s.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser