- Publicité -
mercredi 28 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimahasoa : Dahalo iray maty voatifitra

Ambohimahasoa : Dahalo iray maty voatifitra

Ny alin’ny 23 martsa teo no niakatra an-tanàna ireto dahalo tao amin’ny fokontany Tambohoivo ; ny omby foana moa no lasibatr’izy ireo amin’ny fanafihana izay ataony ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby efatra tao an-tanàna. Efa mailo aminn’ny fanarahan-dia moa ireto fokonolona ka raha vao dify kely fotsiny ireto dahalo dia efa mampandre ny zandary izy ireo ary tonga dia manenjika avy hatrany.

Ireto dahalo koa moa vao nahatsikaritra fa misy manenjika azy avy ao aoriana dia tonga dia namaly bontana amin’ny tifitra avy ahtrany ka raikitra tamin’izay ny fifanjevoana. Vokatr’izany lavon’ny bala ny dahalo iray ary fokonolona iray kosa no naratra. Vao lavo ny iray dia nanao tari-dositra ireto dahalo ka namonjy ny ainy, azo tamin’izany ireo omby saika hangalariny ka tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony. Efa eo ampanadihadiana  izany amin’izao ny tomponandraikitra eny an-toerana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser