- Publicité -
samedi 24 septembre 2022
DomicileFaits-DiversMaevatanana : Lehilahy maty voatifitra

Maevatanana : Lehilahy maty voatifitra

Ny 24 martsa teo no nisy fitifirana lehilahy iray tao amin’ny fokontany atao hoe Betsako. Tsy nisy nahafantatra izay mety ho antony na ny fisehony fa dia basim-borona no nanaovana ny famonoana, ary ilay lehilahy efa maty nitsirara teo amin’ny tany sisa no hitan’ny mpiara-monina. Rehefa nojerena anefa, tsy nisy banga na very ny entana tao an-trano.

Mampiahiahy be ihany ny toe-draharaha, satria tsy nisy nahatsikaritra izay olona nifanerasera taminy farany, na koa izay olona manana disadisa aminy ka ahiahiana ho nahavanon-doza. Efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra moa ny raharaha ka ny valin’ny fanadihadiana no mety hahafatarantsika ireo valim-panontaniana tetsy ambony ireo.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Guide du week-end