- Publicité -
jeudi 6 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTrafika : Gasy tratra tany Hong-kong nitondra sokatra sy tanalahy

Trafika : Gasy tratra tany Hong-kong nitondra sokatra sy tanalahy

Sarona tany Hong-Kong ny lehilahy iray, izay raha araka ny vaovao avy amin’ny pôlisy dia fantatra amin’ny anarana hoe Rasoanaivo Marcel. Niala teto Madagasikara izy niaraka tamin’ny sokatra 137 sy tanalahy 96 isa ary nihazo an’i Nairobi ny 9 febroary lasa teo. Na niala teto an-tanindrazana izy na tonga tany Kenya dia mbola tsy sarona hatrany ny raharaha maloto. Tonga tany Hong-Kong, izay toerana farany nandehanany, vao sarona ny 11 febroary teo. Ny antony dia niahiahy azy ny pôlisy sinoa noho izy tsy mba namandrika hotely, nefa hizaha tany ny anton-diany ôfisialy. Teo dia nosavaina ny entana ary nivoaka ny nafenina : sokatra sy tanalahy ny tao anaty valizy. Notazonina avy hatrany ary natao ny fanadihadiana azy. Notazonina am-ponja nandritra ny enina herinandro tany an-toerana Rasoanaivo Marcel ary rehefa vita ny fombafomba ara-pitsarana rehetra dia naverina aty an-tanindrazana tamn’izay izy. Omaly no nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato ary ny pôlisy avy hatrany no niandry azy. Tsy nisy resa-be fa avy hatrany dia nentina teny Anosy, eny amin’ny biraon’ny pôlisy, ary natomboka ny fanadihadiana. Anio izy no hatolotra ny fampanoavana raha araka ny fampitam-baovan’ny pôlisy hatrany. Afaka nivoaka ny sisin-tany malagasy ary tsy sarona tany Nairobi. Mbola manamarina hatrany ny zava-misy fa mila ampiana ny fisavàna eny amin’ny seranana rehetra, na seranan-tsambo izany na seranam-piaramanidina. Efa nigadra ity rangahy ity tamin’ny 2012 ary ny rahalahiny koa dia vao haingana no voasambotra tetsy Ivato noho ny raharaha mitovy, dia ny fikasàna hanondrana sokatra sy tanalahy izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser