- Publicité -
vendredi 3 février 2023
DomicileFaits-DiversAmpitatafika : Fisongonana anaty fiolahana nahafatesana omby

Ampitatafika : Fisongonana anaty fiolahana nahafatesana omby

Ny alakamisy lasa teo no nisehoan’ny loza tao amin’ny RN7 (PK92+115) raha iny handeha hiakatra aty Antananarivo iny ny Mazda taxi-brousse iray no handeha hisongona sarety tao anaty fiolahana no tojo fiara 4×4 tsy mataho-dalana iray nifanena taminy. Tsy afa-niala intsony ity farany fa dia voatery nifatratra nankaty amin’ilay sarety.Voakasoka ihany koa ny ilany havia sy havanana nifanenan’ireto fiara roa, fa mba tsy naratra ny mpandeha tao anatin’ny fiara roa tonta.

Ny taty amin’ny ilany kosa no voadona ka naratra noho izany ireto mpianaka roalahy nandroaka ilay sarety ary voahosy tamin’izany koa ny ombin-tsarety izay nitarika. Mafimafy ihany ny fifandonana ka maty noho ny ratra be izay nahazo azy ny omby iray, ireto mpandroaka azy kosa no nentina notsaboina tao amin’ny hopîtaly akaiky teo an-toerana. Matetika tokoa no itrangana lozam-pifamoivozana ny lalam-pirenena eto amintsika ka tokony hitandreman’ny tsirairay, raha ny lalàna mantsy dia tsy azo atao ny misongona ao anaty fiolahana na inona na inona fahamehana.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser