- Publicité -
lundi 30 janvier 2023
DomicileFaits-DiversFarafangana : Ramatoabe 83 taona, maty voadonan’ny môtô

Farafangana : Ramatoabe 83 taona, maty voadonan’ny môtô

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany Farafangana ny asabotsy maraina teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany. Ramatoa be iray 83 taona no maty voafaokan’ny môtô “scooter” nentina zanaka mpandraharahan’ny fonja, tao amin’ny fokontany Ambalanaomby, manoloana ny fiantsonan’ny fiara mankany Vondrozo. Na dia nentina novonjena sy notsaboina teny amin’ny hopitaly ity anti-bavy ity dia tsy tana ny ainy.
Niakatr’afo ny olona vory nahita ny loza, ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay tovolahy mpihetraketraka nitondra ilay môtô tsy misy jiro, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana. Gaboraraka ny lafiny fifamoivoizana ao an-tampon-tanànan’ i Farafangana ka mila handraisan’ny mpitondra any an-toerana fepetra henjana mba hiverina amin’ny laoniny toy ny teo aloha, fa ny tsy manan-tsiny foana no maratra na mamoy ny ainy, hoy ny fampitam-baovao marim-pototra avy any an-toerana.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser