- Publicité -
lundi 30 janvier 2023
DomicileFaits-DiversFaratsiho : Kamiao nifaoka mpianatra, 1 maty, roa tapa tongotra

Faratsiho : Kamiao nifaoka mpianatra, 1 maty, roa tapa tongotra

Mpianatra telo mianadahy nirava avy nianatra no nofaohina kamiao lehibe iray tao Faratsiho ny faran’ny herinandro lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Maty tsy tra-drano ny iray ary tapa tongotra kosa ny roa. Tovolahy iray vao erotrerony, kilasy famaranana ao amin’ny sekoly INVA ity maty voahitsaka ity. Tovovavy  ny roa izay voatery tsaboina eto Antsirabe ankehitriny vokatry ny ratra mafy nahazo azy. Teo amin’ny lalana Miadanandriana no nisehoan’ny loza, voalaza fa nandeha mafy loatra ity kamiao ity raha ny fitantaran’ireo mpianatra naira-nody tamin’izy telo mianadahy ireto. Noezahina nentina teny amin’ny hopitaly tao Faratsiho izy roa vavy saingy  tapaka tanteraka ny tongony ka voatery nentina tsaboina eto Antsirabe. Voa haingana koa no vita « goudron” ny lalana ao Faratsiho ka maro amin’ireo mpamily no tsy mbola zatra loatra mampiasa azy. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa tsy manana « permis de conduire » akory ilay lehilahy nitondra ny fiara  izay nahatonga ny loza ka namoizana ain’olona ity. Maro ihany koa ireo mpiavarotra no mameno ny sisin-dalana ka manery ny lalana fampiasan’ny fiara. Marihina  fa sahirana ny mpanao gazety nikasa haka sary noho ny sakana nataona mpitsabo iray miasa ao amin’ny hopitaly.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser