- Publicité -
samedi 24 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbatolampy : Asan-jiolahy, tovolahy voatifitra, lasa ny vola 2, 3 tapitrisa ariary

Ambatolampy : Asan-jiolahy, tovolahy voatifitra, lasa ny vola 2, 3 tapitrisa ariary

Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanimasaka any Ambatolampy no nanafihan’ireto jiolahy mirongo fiadiana trano maromaro tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nanao be fiavy ireo olon-dratsy ary dia nihorohoro ny iray tanana. Voalaza fa tsy nisy nisaron-tava izy ireo. Voamariky ny mponina fa nitondra basy AKM roa , basim-borona iray ary PA iray ireo mpandroba ireo. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa nampiasain’izy ireo izany fitaovana nentiny izany. Tovolahy iray vao 24 taona no notifiriny teo amin’ny tratrany. Naratra mafy tokoa izy io ary tsy maintsy nentina aty an-drenivohitra hanaraka fitsaboana.

Rehefa tsy nisy sahy nihetsika intsony ny olona dia nalain’ireto mpangalatra ireto ny vola mitentina hatrany amin’ny 2 300 000 ariary. Noraofiny koa ny finday  telo. Olona maromaro no nahazoany an’izany zavatra rehetra izany. Efa nampahafantarina ny mpitandro filaminana ny fisehoan’ny fanafihana ary efa misokatra ny fanadihadiana amin’izoa fotoana izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Lu pour vous