- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversAnkaraobato : Mpandevina tonga no nahita fa vaky ny fasana

Ankaraobato : Mpandevina tonga no nahita fa vaky ny fasana

Loza tokoa raha  ny zava-nitranga tetsy Ankaraobato ny alahady 13 avril teo, tany ho any amin’ny 3 ora hariva. Tamin’ity fasan-drazana iray no niharan’ny vaky fasana, efa teo an-tokonanim-pasana ireto mpandevinana ary handeha hamoha ny varavaram-pasana vao nahatsikaritra fa efa tsy mihidy intsony ity fasana. Teo vao samy nikoropaka ny rehetra fa nisy namaky ilay fasana, tsy maintsy notanterahina anefa aloha ny fandevenana vao niantso ny manampahefana hijery ny zava-nitranga, taorian’ny fanadihadiana natao tany an-toerana ary no nahafantarana fa taolan-dava enina no lasan’ny mpangalatra. Ary mbola tsy fantatra marina hoe oviana no nisy namaky ity fasana ity?

Efa eny anivon’ny zandarimariam-pirenena eny an-toerana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ny mety ho valin’ny famotorana.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser