- Publicité -
samedi 24 septembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimena Antsirabe : Vehivavy iray maty nitsahin’ny kamiao

Ambohimena Antsirabe : Vehivavy iray maty nitsahin’ny kamiao

Vehivavy iray  mpiasan’ny orinasa afaka haba eto Antsirabe no maty nohosen’ny kamiao ny alakamisy 17 aprily lasa teo, tao Ambohimena.

Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nisehoan’ny loza teo akaikin’ny ratsarafanahy, nisahotaka ny mponina, efa ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny paska rahateo ny vahoakan’Antsirabe ka maro mpivezivezy ny lalana, mitohana tanteraka ny fifamoivoizana na dia tsy ahitana izany loatra aza Antsirabe. Nikasa hisongona fiara lehibe iray nitondra simenitra ity vehivavy nirava avy niasa ity, izay nitondra bisikileta. Nifanehatra tampoka tamina bisikileta hafa anefa izy ka nifampikasoka tamin’ilay kodiaran’ilay kamiao. Nianjera avy eo ka lasa kaly-kodiarana ny vatany iray manontolo. Nandriaka ny rà, maty tsy tra-drano ilay vehivavy. Nomarihan’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana fa tsy nandrenesana fofon-alikaola ny mpamily ilay fiara. Matetika  mantsy ny fahamamoan’ny mpamily no miteraka loza tahaka izao ka fitsipika tsy maintsy arahina ny fisavana azy ireny, indrindra amin’ny loza amoizana ain’olona tahaka izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser