Toeram-pivarotana zavapisotro iray vao nisokatra no novakian’ny jiolahy ny alin’ny alakamisy lasa teo. Somary nahavariana ihany ny zavanitranga, toerana maro mpivezivezy sady amoron-dalana ity nisy namaky ity. Efa nivonona mihitsy ireo olon-dratsy ny handroba ilay fivarotana raha ny fahitana ny zavanitranga ary efa mahalala tsara ny elanelan-trano nandehanany ry zalahy, midika izany fa olona tsy lavitra ny toerana ihany no nanao ilay asa ratsy. Nopoiriny ny varavarana fidirana voalohan’ilay trano fivarotana, ny varavarana faharoa izay mihidy « cadenas » dia nahagaga ihany koa raha ny fitantaran’ny niharamboina fa tsy nisy teo intsony, ankeviny manana fanalahidy maro ry zalahy raha ny fahitana azy. Nanaram-po ireo jiolahy rehefa tafiditra tao am-pivarotana, noraofiny avokoa ny zavapisotro lafo vidy rehetra, toy ny whisky isan-karazany. Nalainy ihany koa ny Baffle subwoofer iray miaraka amina radio, sy ny entana madinidinika rehetra azo bataina.
Tsy nisy nandre ny manodidina, na dia misy mpiambina ihany aza amin’ny trano mifanila amin’ity fivarotana ity. Efa eo an-tànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.