- Publicité -
mardi 7 février 2023

Tapatapany

# 67ha : Nianjera rehefa niampita arabe, afa-jaza ilay vehivavy. Ramatoa iray sahabo ho 26 taona, bevohoka fito volana, handeha hiantsena maraina no afa-jaza teny an-dàlana ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora, teny amin’ny 67 Ha Atsimo akaikin’ny fiantsonan’ny taksibe mankany Itaosy. Nibolisatra tamin’ny tata-drano amin’ny sisin-dalana mampisaraka ny arabe sy ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ity ramatoa ity, raha saika hiampita niala fiara. Nitrosona tamin’ny tany ny tenany ary niezaka nanarin-tena samirery, nefa rehefa nandeha kely dia nitaraina narary ka nitolefika ary afa-jaza. Tsy nisy taitra ny teo amin’ny manodidina fa nitazam-potsiny. Ny sasany nahita aza nihomehy. Olona tsara sitrapo sendra nandalo no nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Mila mitandrina hatrany rey olona, fa patsa iray tsy omby vava.

Manitrisa

# Toliara : Zaza roa hita faty, tsy nisy maso sy filahiana. Araka ny vaovao marim-pototra voaray avy any Toliara, zaza roa no hita faty tao amin’ny fokontany Antsiratsira izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia tsy teo amin’ny vatan’ireto ankizy ireto intsony ny voamasony roa sy ny filahiany. Tamin’ny tati-baovao no nahafantarana fa vokatry ny lonilony tamina fianakaviana roa hatry ny ela no fototra nahatonga izao vono olona nahatsiravina izao. Ny faran’ny herinandro teo no niakatra fitsarana ny raharaha. Teny amin’ny toerana fitrandrahana sira no nahitana ny razana, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Saika raikitra ny gidraka nandritra ny fotoam-pitsarana ny alakamisy teo, raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminana. Hamalifaty ny havan’ny maty raha ny tsiliantsofina mandeha momba ity raharaha famonoana zaza roa monina eny Ambohitrabo Toliiara ity.

Manitrisa

 # Ivohibato – Tazomoka : misy maty isan’andro. Mampiaka-peo ny vahoaka any amin’ny distrikan’i Vohibato ary manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra manoloana ny firongatry ny aretina tazomoka mamono olona efa amam-bolany maro sy mandripaka ain’olona saika isan’andro, ka anaovan’ny mponina any an-toerana antsoavo amin’ny fitondram-panjakana. Marihina fa ity distrika ity dia 19 km monja miala ny tanànan’i Fianarantsoa.  Miraviravy tànana tanteraka ny mponina tsy afa-miady intsony noho ny firongatry ny tazomoka mahery. Ny toeram-pitsaboana any an-toerana moa noravan’ny dahalo, ka mbola tsy tafarina hatramin’izao. Ny mpitsabo halefa hiasa any ambanivolo tsy misy mety mandeha noho ny firongatry ny asan-dahalo, raha ny tati-baovao voaray.

Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser