- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimangakely-Analamahitsy : Sprinter roa nanjavona, maty voapoizina ny saofera iray

Ambohimangakely-Analamahitsy : Sprinter roa nanjavona, maty voapoizina ny saofera iray

Lasa mivadika any amin’ny halatra Sprinter indray izao ny olon-dratsy sasany. Porofo mivaingana amin’izany ny fisian’ny fiara roa mitondra io marika io izay nanjavona tao anatin’ny andro vitsy, ny marimarina kokoa hatramin’ny zoma lasa teo. Vao tsy hita akory io fiara io izay teo anelanelan’Analamahitsy sy Ambatobe no nangalarana azy, dia efa nisy iray hafa indray koa nanjavona ary karohina. Toa izao ny zava- nitranga : nahazo fiara Sprinter ny olona iray. Efa natao avokoa ny ankamaroan’ny asa izay hamadihana an’io ho fiara fitaterana ary efa naka mpamily sy mpanampy azy aza. Tsy ho ela intsony dia efa tokony hiasa amin’izay ilay fiara. Ny arôzazy aza efa natao. Kinanjo nandritra io fifandomam-bera io indrindra no nisy nanapoizina ny saofera.  Nihamangana ny tarehin’io farany ary niafara tamin’ny fahafatesany ilay fanapoizinana azy, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Tsy hita izay nanjavonan’ilay fiara nony avy eo. Momba ity raharaha ity dia efa mandeha ny fikarohana ireo olona izay nifandom-bera, isan’izany ny mpanampy ny mpamily sy olona iray hafa eo anivon’ny kaoperativa. Momba ilay tranga iray voalohany izay natsidika tetsy ambony dia nisy olona telo nanofa fiara sprinter iray. Nataon’izy ireo izay hambaboana ny fon’ny mpamily mba hanamorana ny fanapoizinana azy. Nentina nisakafo ary nividianana ranom-boankazo. Tao anatin’izany ny poizina no nararaka. Torana tsy nahatsiaro tena na ilay mpamily na ny mpanampy azy. Natsipy teny Analamahitsy izy ireo dia nanomboka teo no tsy hita intsony ny fiara. Misy ifandraisany ve ireo halatra roa izay tao anatin’ny andro vitsivitsy ireo? Samy poizina mantsy no nampiasain’ireo olon-dratsy. Mila mailo ireo olona manana sprinter, satria miompana amin’izany indray ny halatra fiara ankehitriny. Mazava fa noho ny vidiny izay mahatratray 30 tapitrisa ariary eo ho eo no nanitatra indray ny sain’ireo olon-dratsy hirona any.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser