- Publicité -
vendredi, mai 20, 2022
DomicileFaits-Divers Ampandrana : Vehivavy namono tena, nihinana fanafody marobe

Ampandrana : Vehivavy namono tena, nihinana fanafody marobe

Nahazo antso ny mpamonjy voina eny Tsaralalàna, omaly fa misy ramatoa iray nanandrana namono tena teny Ampandrana Besarety. Rehefa teny an-toerana ry zareo dia nahita ilay vehivavy efa mitomany be tao an-tranony. Nojerena tao amin’ilay efitra ka karazana fonosana fanafody dimy samy hafa no niparitaka teo. Samy nohanin’ilay vehivavy daholo ireo fanafody ireo, hoy ny loharanom-baovao. Tsy nahafaty azy teo no ho eo anefa satria mbola nahatsiaro tena izy. Novonjena nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy. Olana teo amin’ny tokantranony no voalaza fa nahatonga azy hanao izao fihetsika izao. Efa saika sarotra ihany ny raharaha, satria nihidy aman-trano tao ilay vehivavy, hoy hatrany ny vaovao voaray. Soa fa teo ny manodidina afaka niteny taminy. Ny mpamonjy voina koa tetsy andaniny, raha naharay ny vaovao dia efa vonona ny hamaky ny varavarana.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser