- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAmbohidratrimo : Taxi-be tapaka frein nandratra olona telo

Ambohidratrimo : Taxi-be tapaka frein nandratra olona telo

Ny talata maraina teo, tetsy Andakana, no nisehoan’ny lozam-poifamoivozana RN4(PK21+400). Fiara taxi-be Renault mampitohy any Mahitsy Antananarivo no tra-doza. Nanala olona teo amin’ny fiantsonana ity fiara no nihemotra tampoka noho ny tsy fahatomombanan’ny tsindry hisatra. Olona telo tao aorinan’ity fiara ity no lasibatra tamin’izany ka voapoka, naratra mafy tokoa izy telo ireto ka nalefa haingana tany amin’ny hopitaly Bejofo Mahitsy. Efa be tokoa ny seho tahaka izao ka tokony hitandreman’ireo mpitatitra amin’ny fikojakojana ireo fiara miasa mba hisorohana ny loza. Ny tobim-paritra Ambohidratrimo moa no misahana ny fanadihadiana.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser