Ny 13 may teo no nisehoan’ity toe-javatra hafahafa amin’ny tanàna Madiorano any Vangaindrano. Zaza roa taona no nomen-drangahy mangahazo ka maty. Tamin’ny 23 avrily teo no nisehoan’ity tantara ity ka raha vao naheno izany ny rain’ity zaza sy ny dadabeny dia nankany amin’ny tranon’ilay rangahy nanome mangahazo ity zanany ka namono ity farany teo imason’ny sefo fokontany sy ny lefiny . Nosamborina avy hatrany izy efa-dahy ireto nanaovana ny famotorana. Vao nivoaka ny faritra nanaovana famotorana azy ireo dia efa nisy andian’olona niandry ka nafatotr’izy ireo tamin’ny tady ary notereny handoa vola 1 tapitrisa ariary fa manalabaraka ny havany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary tao Vangaindrano ka nosamborina ireto 5 lahy izay niampy lehilahy iray nafindra tany amin’ ny zandary tany Farafangana. Efa eo am-pelatànan’ny zandary any an-toeran moa ny raharaha ka hanamarihana marina na nisy poizina tokoa ve ilay mangahazo ka nitarika ny fahafatesan’ity zaza ity sa mety ho zavatra hafa kosa.
ALEM