Niaka-pofona sady gaga ireo mpandraharaha vahiny teratany srilankey sy pakistaney ary thailandey, . . . mpividy vato safira ao Ilakaka, ny herinandro teo, satria nisy lehilahy iray mitonona ho manamboninahitra jeneraly nitango vola tamin’ izy ireo. Raha ny fanazavana, nanao be fiavy sy nanindry bokotra ity jeneraly ity ary namory sy nisava ny taratasin’ireo teratany vahiny. Avy eo naka vola 800.000 ariary isan’olona tamin’ireo teratany vahiny 23 navoriny. Rehefa tsy manome ireto farany, dia norahonany horoahina.
Rehefa natao ny fanadihadiana momba io jeneraly io dia nilaza ny manampahefana any an-toerana, fa tsy mahafantatra azy, hoy ny depioten’ Ihosy, Razafimandimby Germain Boniface (Ralava). Noho izany, tsy fantatra mazava io jeneraly io na mpisandoka na misy maniraka. Talohan’izao, mbola tao Ilakaka hatrany, pôlisy roa nanasoketa mpizahatany teratany espaniola telolahy ho nitondra rongony mahery, ka nilana vaniny ireto teratany vahiny ireto rehefa tsy nahitana na inona na inona. Ao raha !
Manitrisa