- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -

Tapatapany

# – Ambohidratrimo. Mpangalatra niharan’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka ary saika tapitra ny ainy. Teny amin’ny faritra Ambohidratrimo no niseho izany nyalin’ny alatsinainy teo, efa tany amin’ny 3 ora maraina. Nifanehitra tamin’ny andrimasom-pokonolona ny andian-jiolahy iray izay fantatra fa saika hamaky trano. Nandositra izy ireo. Tratra ny iray ary dia izao voadaroka izao

# – Tsiroanomandidy. RN1 fanakanan-dalana,voakapa famaky ny mpamily. Ny alatsinainy hariva teo no nisehoan’izany tao amin’ny tanànan’ Ambatofotsy. Jiolahy 5 mirongo basy no nanao ny fanakanana tamin’ny alàlan’ny fametrahana hazo sy vato teo ampovoan-dàlana; ny saofera no nokapain’ireto olon-dratsy tamin’ny famaky ny lohany, ilay mpamily mpanampy kosa afaka nitsoaka nampandre ny zandary. Lasa tamin’izany ny vola 1,5 tapitrisa ariary. Mbola miady amin’ny fahafatesana kosa ilay mpamily .

# – Fianarantsoa. Omby 30 lasan’ny dahalo. Ny 26 may teo tao Ambatolahy-Vohibato no nisy dahalo 20, nitondra basy AKM sy basim-borona no naka omby 42 teo an-kijana. Taitra ilay mpiambina ka niezaka ny nanohitra,tifitra anefa no nasetrin’ireo jiolahy ka nivoaka ny tsinain’ity mpiambina. Tafaverina kosa ny omby 10 taorian’ny fanarahan-dia ka ny omby 2 no maty novonoin’ireo dahalo . Mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon’ny zandary sy ny fokonolona

# – Nosy-Be. Lakana rendrika olona 2 tsy hita. Ny alahady teo no nisy nampilaza ny “compagnie” tany Nosy-Be, fa misy lakana rendrika ao amin’ny fari-dranomasina any an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra nanao ny fizahana. Fantatra ary fa 3 izy ireo no tao anaty lakana ka ny iray no tody soa tety an-tanety, izay mbola tsy mahatsiaro tena fa ny roa kosa tsy mbola hita.

# – Morombe. Lasan’ny dahalo ny omby 400. Ny alahady teo, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Andranoboka Morombe no nanafika ireto dahalo 40 lahy, izay mirongo basim-borona. Omby 400 no lasan’izy ireo tamin’izany ka teo anatrehan’izany dia nalefa nanara-dia azy ireo ny zandary 4 sy miaramila 4 hanenjika ireto malaso.

Nangonin’i Alem/r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser