- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversFjkm Ambodiafontsy Maritiora : Tsy mety milamina ny disadisa

Fjkm Ambodiafontsy Maritiora : Tsy mety milamina ny disadisa

Hatramin’izao, tsy milamina ny disadiasa eo amin’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) sy ny mpitandrina miaraka amin’ny biraom-piangonana ao amin’ny FJKM Ambodiafontsy, araka ny vaovao voaray teny an-toerana nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tamin’ny resaka nifanaovanay tamin’ny mpiandrikitra ny serasera avy amin’ny STK, manao izay tsy iasan’ity Sampana ity ao amin’ny Fiangonana mihitsy ny mpitandrina sy ny biraom-piangonana. Tamin’ny fanontaniana natao azy dia maro ny zavatra niseho nentin’ireo farany mahakasika izany. Ohatra maro no nentiny nanazava izany. Nogiazana ny voalan’ny STK sy ny fitaovana, tsy navela “hitory” intsony ry zareo tanora ary ny tena nahazendana azy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo, tsy afaka nanao na inona na inona ry zareo, eo amin’ny lafiny fitoriana ihany izany. Nilaza ity tompon’andrikitry ny seraseara ity fa tsy navela hiditra ny faritry ny Fitandremana akory izy ireo tamin’ny sabotsy lasa teo. Ny alahady koa torak’izany, tsy nahazo nipetraka teo amin’ny toerana natokana ho azy ireo STK. Efa misy moa, araka ny vaovao voaray hatrany, ny fiantsoana ny tompon’andraikitra amin’ny ambaratonga ambony fa tsy mbola tanteraka izany, hoy hatrany ireo nanome ny vaovao taty amin’ny gazety.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser