- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversManakara : Novoiny ny zanany fa tsy velony intsony

Manakara : Novoiny ny zanany fa tsy velony intsony

Notaperiny ny ain-janany efa-taona ary naleviny. Raim-pianakaviana iray no nahavita an’izany, tany Manakara, ny asabotsy lasa teo. Mpitarika posy niandry olona teo amin’ny sisin’ny fefy no nahita azy naira-niditra tamin-janany tao amin’ny tokotany iray. Taorian’izay dia tsikaritr’io olona io fa nivoaka irery ilay rangahy. Nanintona ny sainy izany ka nahatonga azy nampandre ny sefo fokontany. Natao ny fisavàna ilay toerana ary teo no nahitàna kara-panondro latsaka sy lava-pako vao nototofana. Nitohy hatrany ny fisavàna ary teo no nahitàna an’ilay zazakely efa tsy mihetsika intsony sady mihosin-drà. Nampandrenesina ny pôlisy ary natao ny fisamborana ilay nahavanon-doza izay ny andron’iny ihany dia tratra. Nomarihan’io rangahy io tamin’ny fakana am-bavany azy fa tsy velony intsony ny zanany noho ny fahasahiranana manjo azy. Dia naleony novonoina…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser