- Publicité -
lundi, mai 23, 2022
DomicileFaits-DiversToamasina : Ny vola lasa, ny takalon’aina tsy votsotra

Toamasina : Ny vola lasa, ny takalon’aina tsy votsotra

Mbola mahakasika kidnapping ihany dia mandeha ny feo fa efa noraisin’ireo jiolahy tany Toamasina ny vola takalonaina. Saingy mbola tsy navotsotr’ireo kosa ilay karàna izay mbola tanora kely. Ny olana anefa dia mila tsindrona “insuline” matetika io olona io. Mandeha be eraky ny tambajotra sosialy ity tranga ary mampahonena sy mampatahotra ny maro ny zava-nitranga. Ny olana izany amin’izao dia sady tsy fantatra na maty na velona ilay nalaina an-keriny. Manarak’izany dia heverina ho toa ny very fotsiny ny vola nomena ireo olon-dratsy, izay amina miliara, raha araka ny heno hatrany. Momba ity raharaha ity ihany dia nampandre ny teratany vahiny mipetraka ao Toamasina ny masoivohony avy mba ho mailo tanteraka rehefa mivoaka ny trano. Ny antony dia noho ny firongatr’ity asaratsy, fakàna an-keriny ity ihany. Mandeha be ny resaka ankehitriny fa olona efa nigadra saingy nahazo fahafahana vonjimaika no ao ambadiky ny kidnapping izay miseho any an-toerana. Misy ihany koa ny milaza fa vehivavy tsimatimanota ao an-tanàna noho ny fahafantarany olona ambony no tena tompon’any asaratsy ao an-drenivohitr’I Toamasina. Ny mpitandro ny filaminana, manoloana an’izany rehetra izany, dia tsy afaka manao na inona na inona satria tsy misy ny fitarainana ataon’ny havan’ireo olona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Vendredi joli