- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversFamonjana ny Pastera Benjamina : “Nanangana fiangonana hafa ilay nitory azy, hivoaka...

Famonjana ny Pastera Benjamina : “Nanangana fiangonana hafa ilay nitory azy, hivoaka anio ny didy”

Anio ny didim-pitsarana mahakasika ny fitoriana ny Pastera Benjamina no hivoaka. Mpiangona  15.000 eo anivon’ny fiangonana tarihiny raha kely indrindra no manaraka akaiky ny raharaha. Omaly dia nihaona tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’izy ireo ary nanazava ny heviny mahakasika ity raharaham-pitsarana ity. “Aminay dia tsotra ihany ny zava-misy : atao izay hampidoboka ny lohany, mba handravana ny zavatra tarihiny. Tsy misy mitombina ireo fanenjehana ny Pasteranay ary hita mibaribary ankehitriny fa fikasana ny hitarika ny mpino eo anivon’ny fiangonanay hivadika any amin’ny hafa ny tanjona. Porofon’izany, efa nahatsangana ny azy ny mpitory ary efa misy fivavahana isak’asabotsy eo anivon’izany” raha araka ny fanazavan’ilay mpitondra tenin’ny fiangonana FJTA7. Notohizany fa olona efa nesorina teo anivon’io fiangonana io ilay mpitory. “Fantatray ny fananany vola aman-karena, saingy teto aminay ihany angamba ny fiangonana sahy nanao an’izany. Ny hoe ampahafolon-karena indray dia ao anaty soratra masina no milaza an’izany, ka tsy hitanay izay endrika fisolokiana mahakasika izany. Tsy manery olona rahateo izahay ny amin’ny fanomezana izany fa anjarany ny mieritreritra. Aminay dia entina handetehana ny Pastera Benjamina avokoa izay rehetra nitranga” raha araka ny loharanom-baovao mitovy. Efa tamin’ny taona 1997 no nisy ny fiangonana izay notarihin’io pasitera io. Ilay mpitory azy kosa dia tamin’ny 2012 tany no niditra tao. “Efa narary mafy izy ary nalemy. Natao ny fivavahana rehetra dia tafaverina soa aman-tsara amin’ny tanjany ilay olona. Tapakevitra izy ny hanolotra ny fananany ho an’ny mpiara-belona. Isan’izany ny tany be izay nasiana ny fiangonana any Fianarantsoa. Saingy nivadika tanteraka izany ankehitriny, satria nalain’ny zanany indray ilay tany. Nisy ny fitorianay tany an-toerana ary mbola miandry koa ny valin’ny didy. Ny teto an-drenivohitra indray dia io iaraha-mahita io ny fandehan’ny fitsarana, naiditra am-ponja hatramin’ny Pasteranay” hoy ihany ilay mpitondra tenin’ny fiangonana FTJA7; izay nilaza fa tsy maintsy nivoaka tamin’ny fahanginany ihany izy ireo noho ny fanebahana diso tafahoatra ny Pasterany. Samy manana ny filazany arak’izany ny roa tonta ary samy manana izay porofo entiny eo anoloan’ny fitsarana rahateo. Handrasana anio ny didy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser