Nihorohoro avokoa ny mponina rehetra teny amin’ny manodidina ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny faritr’Ikianja, Ambohimangakely, tonga hatrany Ambatomaro sy ny manodidina iny. Toy ireny feom-basy marovava ireny mihitsy mantsy no nanakoako, nanerana ireo faritra manodidina. Raha ny filazan’ny mponina nahare dia nanodidina tany amin’ny 60 nipoaka tany io zavatra io. Tsy inona anefa izany, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana, fa fitokanana niampy lanonana fanambadiana nisy tamina hotêly iray teny an-toerana ka nandefasana afomanga, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any. Tsy nisy ny fampilazana mialoha ka nahatonga io fahatahorana niampy fanahiana io, raha ny voalazan’ireo mponina. Ny sasany tamin’izy ireo aza, raha ny fitantaran’ny iray tamin’ireo fianakaviana ireo, dia nandraiky narary mihitsy, naheno iny feo nipoaka toa poa-basy nirefodrefotra. Eo imason’ny fandriam-pahalemana efa tsy dia milamina loatra izao, ny trangan-javatra toa izao dia tokony hampahafantarina mazava ny mponina hialana amin’ny horohoro mety hihatra amin’izy ireo.
m.L