Nisaoty teny amin’ny rihana fahafito izy ary maty tsy tra-drano vokatr’izany. Renim-pianakaviana iray, teratany malagasy, izay monina ao Marseille no namoifo. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatapaka ny heviny ho tonga amin’izany. Manan-janaka telo izy ary eo amin’ny taona tena hilany reny avokoa izy ireo, satria adolantsento. Ny faran’ny herinandro teo ny razana no tonga teto an-tanindrazana, rehefa vita ny taratasy rehetra nilaina momba ny famerenana ny vatana mangatsiaka. Toe-javatra izay tsy vita moramora any ivelany, satria mila fanamarinana marobe vao afaka ny manome alàlana ny manampahefana. Mbola misy fanadihadiana lavareny vao tonga amin’izany matetika. Raha ny fantatra dia manambady vazaha ity ramatoa izay mbola azo lazaina ho tanora, satria vao 36 taona. Notsenain’ny fianakaviany teny amin’ny seranampiaramanidina ny razana talohan’ny nametrahana azy teny amin’ny fasan-drazany, izay any amin’ny faritra raha araka ny fantatra. Tsy voalohany no nisy teratany malagasy namoifo toa izao tany andafin’ny riaka, indrindra tao Frantsa. Raha ny nomarihan’ny mponina ao an-toerana aza dia vao tamin’ny taona lasa teo koa no nisy tovovavy 15 taona izay nisaoty teny amin’ny rihana fahafito izay nisy azy ihany koa.
D.R