- Publicité -
vendredi 1 juillet 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversZazavavy 14 taona voaholana bandy roa lahy teny an-dalana

Zazavavy 14 taona voaholana bandy roa lahy teny an-dalana

Ny alakamisy alina lasa teo, tokony ho tany amin’ny 9 ora alina tany ho any, teny Andohatampenaka, mpifankatia, zazavavy 14 taona niaraka tamina tovolahy 18 taona no notafihana bandy roa lahy teny an-dalana. Naolan’ireo jiolahy ity zazavavy ity, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana ary voalaza fa novonoina kosa ilay tovolahy.  Raha ny fantatra hatrany, araka ny voalazan’ny pôlisy, notantarain’ity zazavavy ity dia saika handeha hamangy ny havany teny Ampasika izy roa kely ireto no nifanehatra tamin’ireo bandy roa lahy ireo, teo amin’ny lalana mangingina manakaiky ny kianjan’ny Maki iny. Nolazainy tamin’izany fa nampiharin’ireo olon-dratsy ny filàny ity zazavavy ity raha niharan’ny herisetra kosa ilay tovolahy. Fantatra tamin’izany ihany fa toa hoe novonoin’ireo bandy ilay tovolahy ary natsipy tao amin’ny ranon’Ikopa avy eo. Nambaran’ireo mpitandro filaminana fa efa nikaroka  an’ity tovolahy tsy hita popoka ity izy ireo. Ny maraina kosa no tonga niantsoroka ny fitadiavana ny mety ho vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity, tao anaty rano ny mpamonjy voina kanefa, hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy hita izany. Mifamahofaho be ihany ny fitantaran’ity tovovavy ity, raha ny nambaran’ireo mpitandro filaminana hatrany. Tsy voamarina kosa ny mety ho famonoana ho faty ilay tovolahy niaraka taminy hatreto. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany dia salama tsara ity tovovavy ity. Misokatra kosa ny fanadihadiana eo anivon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser