- Publicité -
mardi 28 juin 2022
DomicileFaits-DiversRavalomanana : Niditra teo Diégo na Morondava

Ravalomanana : Niditra teo Diégo na Morondava

Hatreto dia tsy mbola nisy ny fanazavana ofisialy momba ny fomba nahatongavan’ny Filoha teo aloha teto an-tanindrazany. Na ny tatitry ny zandarimaria aza dia mifono fanahiana ihany raha nilaza fa tetsy Antsirabe no mety ho niditra izy, avy amin’ny alàlan’ny fiaramanidina kely iray, ary nandeha fiara 4X4 nony avy eo. Mety hitombina ihany izay fa kosa ny seranana voalohany nidirany no mbola mampametra-panontaniana hatreto. Fantatra koa mantsy izao, tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny seranam-piaramanidina Ivato, fa nisy fiaramanidina iray hafa nijanona tao tamin’ny 11 ora alina. Nitondra olona efatra io ary faran’izay haingana ny fivoahan’ireo olona tao anatiny. Efa maizina ny andro ka tsy hita intsony izay tao. Ny fantatra dia avy any Diégo io fiaramanidina io ary niainga tany Mozambika. Dikan’izany dia mbola mitombo iray indray izany ny fanahiana, mandra-pisian’ny vaovao ôfisialy momba ny nahatongavan-dRavalomanana ity. Raha araka ny fijerin’ny mpanamory fiaramanidina indray dia tany Morondava no tena noheverin’ireo ho nidiran’ny fiaramanidina. Niainga tamin’ny seranana iray an’olon-tsotra tao Afrika Atsimo izany. Amin’ny maha an’olon-tsotra azy dia tsy misy araka izany ny fanaraha-mason’ny fitondràna any an-toerana. Nandeha ambany dia ambany rehefa niditra akaiky sy niditra ny morontsirak’i Madagasikara mba hialàna amin’ny “radar”. Dia tena tsy hita soritra tokoa ny lalany rehetra…Eo dia efa hita ny tsy fahampian’ny fitaovana ampiasaina amin’ny seranana, ny “radar secondaire”, izay isan’ny takian’ny fenitra iraisam-pirenena. Manaraka izany, matoa indray tsy nisy ny fisavana rehefa tonga teo amin’ny seranana dia mbola mamofona kolikoly koa. Mandeha ny feo fa nisy manamboninahitra iray nandamina an’izany rehetra izany. Fahatelo farany, ny fisian’ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny asa fitsikilovana tao Faravohitra tamin’ny fotoana nisamborana an-dRavalomanana dia mety mamaly izany fananontaniana sy lesoka rehetra voalaza tetsy ambony izany. Nilaza ny hanokatra fanadihadiana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena momba ity raharaha ity. Asa raha hisy ny fepetra horaisina isan’ambaratongany na dia hijanona amin’ny hoe tsy fahampian’ny fitaovana indray no atao fomba hialàna bala. Mahamenatra ihany ny zava-misy satria isan-taona, in-telo raha kely indrindra, ary hiantsoana mpanao gazety hatrany ny fampisehoana ny fahaiza-manaon’ny mpitandro ny filaminana izay hatao etsy Ivato, indrindra rehefa misy feo mandeha fa hody eto an-tanindrazana ny Filoha teto aloha. Nataon’ito farany toa ny rivotra izany rehetra izany, tsy fantatr’ireo “manam-pahaizana” akory na ny fomba nigadonany aza hatreto. Miankina indrindra amin’ny fahaizana mitsikilo sy ny fahazoana vaovao alohan’ny fotoana ny tanjaky ny fitondràna iray. Eto anefa dia ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Mila mijery akaiky ny fanjakana satria ny rafitra mipetrapetraka tsara, toa karama very fotsiny raha gaboraraka toa izao hatrany no mitranga…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser