- Publicité -
jeudi 30 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy nitondra kalach voasambotra tao anaty taxi-brousse

Antsirabe : Jiolahy nitondra kalach voasambotra tao anaty taxi-brousse

Jiolahy fito lahy niaraka tamina basy no noraisim-potsiny tao anaty taxi-brousse ny faran’ny herinandro lasa teo.

Fiara Sprinter iray manao zotra Antananarivo Vangaindrano no nitondra azy fito lahy ireto. Tsy misy nahafantatra ny mpandeha fa jiolahy no miray fiara aminy. Fiaraha-miasa avy tamina olona tsara sitra-po no nahafantatra fa misy andiana jiolahy nandray taxi-brousse hihazo an’Antananarivo. Natao ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana ka nandritra ny fisavana mahazatra  ireo fiara mandalo eto Antsirabe no nahatratrana azy fito lahy ireto. Tsy afa nihetsika fa dia norasim-potsiny izy fito lahy  tratra niaraka taminy ny basy kalachnikov iray sy poleta vita gasy ary fitaovam-piadiana maro hafa, ary famahanana basy ihany koa.

Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana ary ny fanadihadihana no hahafantarana ny toerana nokasian’ireto olon-dratsy ireto hotafihana sy ny mombamomba azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser