- Publicité -
lundi 4 juillet 2022
DomicileFaits-DiversMpifoka sy mpivarotra rongony : Olona 13 no voasambotra

Mpifoka sy mpivarotra rongony : Olona 13 no voasambotra

rongonyNoho ny ezak’ireo mpitandro filaminana miady amin’ny zavamahadomelina, dia olona 13 be izao no indray voasambotry ny pôlisy ny alarobia  teo, teny Ambohijafy Fenoarivo sy  Tanjombato. Mbola tovovavy kely tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo; izay tratran’ireo mpitandro filaminana nivarotra rongony teny Tongarivo. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ity farany dia nilaza ho tsy mahafantatra ny mpamatsy azy izy, fa fifampiantsoana an-telefaona fotsiny no ifandraisana dia voaatitra eny an-toerana ireo zavamahadomelina. Rangahy 60 taona kosa no nahatratrarana rongony  252 fonosana teny Ambohijafy. Voalaza fa efa amam-polo taonany no nanaovana ity asa fivarotana rongony ity. Sady mandray izany ihany koa ny lehilahy. Tratra niaraka taminy tao ihany koa ny olona sivy hafa, mpanjifa sy mpifoka rongony. Fa tetsy andanin’izay, mbola teny Tongarivo Tanjombato ihany, tamina toerana iray izay efa fanta-daza eny an-toerana ho fifohana rongony no nahatratrarana tovolahy anankiroa teo am-pifohana rongony. Noraisim-potsiny tamin’izany ry zalahy ireto, ka tamin’ny fanadihadiana no nilazany fa nangatahana ilay fonosana rongony fa tsy novidina akory. Samy natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa ireto mpivarotra sy mpifoka rongony am-polony  ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
241,227FansAimer
1,007AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser