- Publicité -
jeudi 30 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntsirabe : Basy sy bala sarona, mpitandro filaminana no mpampanofa

Antsirabe : Basy sy bala sarona, mpitandro filaminana no mpampanofa

Ny alarobia 22 oktôbra lasa teo no saron’ny mpitandro filaminana ny olona miisa fito tanaty taksibrosy, teo Antsirabe, rehefa nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary. Nahatratrarana basy kalaky sy poleta, niaraka tamina bala telo ireto olona ireto. Raha ny voalazan’ireo zandary misahana ny ady heloka bevava etsy Fiadanana, nisahana ny fanadihadiana, omaly, dia saika hoentina any Manakara ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireo. Nokasaina hanafihana teratany karàna tany an-toerana izy ireo, kanefa izao sarona alohan’ny fotoana izao, raha ny voalaza hatrany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahafantarana fa mpitandro filaminana ihany no loharano niavian’ireo fitaovam-piadiana ireto. Rehefa nanao ny asany ireo zandary, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia voasambotra ihany koa ilay mpitandro filaminana mpamanofa basy ity. Natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa ireo olona valo, voarohirohy tamin’ity resaka maloto ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser