Efa tao anaty torimaso tanteraka ny maro no taitra tampoka, noho ny fahenoana zavatra nirefotra be. Nisy nanipy grenady tao amin’ny Polyclinique Ilafy, ny alin’ny zoma teo. Manodidina ny tamin’ny misasakalina sy sasany izany, raha araka ny fanazavana azo. Taitra ihany koa ny manodidina, hatrany Ankadifotsy tany, satria tena mafy ny firefotr’ilay baomba. Nanao ny fisafoana teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, ka raha ny fijery voalohan’izy ireo, dia grenady “offensive” no nampiasain’izay tompon’andraikitra tamin’ny fanipazana an’izany. Ny olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra olona roa nihazakazaka tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Hatreto dia izy ireo no heverina izany fa tompon’antoka tamin’ity asaratsy ity. Tsy nisy ny aina nafoy na koa ny naratra. Ny fahasimban’entana no nisy. Fantatra momba ity raharaha ity, fa fiara efatra no nipitihan’ny vy nandritr’ilay fipoahana. Nisy tamin’ireo ny vaky « pare-brise » ary nisy koa ny vaky jiro. Inona ny anton’ny higafiana toeram-pitsaboana ? Mihodidina eo ny fanontaniana mipetraka ankehitriny, satria na any amin’ny firenena izay anjakan’ny asa fampihorohoroana aza dia mba misy farafahakeliny ihany arahin’ireo mpanakorontana. Raha jerena amin’ny lafiny pôlitika indray, ary tena nandehanan’ny sain’ny maro aza raha vao nandeha iny herisetra iny, dia mety ho fankahalana ny tompon’ity toeram-pitsaboana ity ny anton’ny nanipazana grenady izany. Nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Fanadihadiana izay asa indray raha mba hisy vokany. Hatrizay mantsy, toeram-pivarotan-tsolika aza efa nisy in-telo no voatoraky ny grenady, saingy tsy hita mihitsy hatramin’izao izay tompon’antoka amin’izany.
D.R