- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAndravoahangy : Enin-dahy nirongo kalaky nanafika « cash point »

Andravoahangy : Enin-dahy nirongo kalaky nanafika « cash point »

Jiolahy enin-dahy, mirongo kalaky indray mantsy no nanantanteraka ny asa ratsiny tetsy Andravoahangy, ampitan’ny fiantsonana fantatry ny maro amin’ny hoe « rotsirotsy » omaly antoandro. Tsy nisy ny naratra na  aina nafoy.

Antoandro be nanahary ! Efa tena tsy misy tahotra intsony ireo olon-dratsy, ary tsy niandry ny andro ho maizina vao manao ny asa ratsiny. Tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro teo, enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no indray nanafika irony toerana fivarotana fahana sy fandefasana vola irony, tetsy Andravoahangy. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nihodidinan’izy enin-dahy ireto ilay toeram-pivarotana : ny hafa niditra nanambana basy ilay tovolahy tao amin’ilay toerana, ny hafa kosa niambina ny tety ivelany, niaraka tamin’ny basy. Tao anatin’ny fotoana fohy ihany koa anefa no nanantanterahan-dry zalahy izany asa ratsiny izany. Vola mitentina teo amin’ny roa tapitrisa ariary teo no azon’ireto olon-dratsy nandritra ity fanafihana ity, niampy ny finday sy entana sasantsany tany amin’ireo mpanjifa, raha ny nambaran’ireo olona teny an-toerana. Ary nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Taorian’izay vao afaka niantso mpitandro ny  filaminana ireo voatafika. Nanao be midina teny an-toerana ireo pôlisy avy amin’ny boriborintany fahatelo, nampian’ireo tao amin’ny UIR sy ny kaomisaria foibe, nanao savahao ny toerana, saingy tsy nisy tazana intsony ry zalahy, araka ny fanazavana azo. Be olona ihany iny faritra iny  ary fantatry ny rehetra fa maro bandibandy ihany koa, noho ny fisian’ireo toeram-pisotroana isan-karazany ary manginy fotsiny ireo mpivarotra manemitra iny faritra iray iny. Saingy tsy nahasakana ireo jiolahy hanantanteraka ny asa ratsiny izany. Ireo olona ihany koa tetsy andanin’izay, tsy nisy nahahetsika teo anatrehan’ity horonantsary, zary tena izy ity teny an-toerana ity. Ny namonjy ny ainy no nahamay volon-tratra ny sasany, hany ka ny ampahany tamin’izy ireo no nitsoraka tsy nisy fisalasalana tany anatin’ireo « dalle » feno maloto.

Mitady vola hanaovana fety, fitia te handroba sa isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanankorontanana amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ity asan-jiolahy mihamahazo vahana tao anatin’ny andro vitsivitsy izay ? Marihina fa vao  tamin’iny herinandro iny no nandalovan’ny jiolahy ihany koa teny amin’iny faritra Andravoahangy iny, ary vao ny alahady teo no nisiana fanafihana mitam-piadiana toa izao, tetsy 67ha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser