- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversFanahiana korontana mandritra ny fety : Mpitandro filaminana 500 no hiaro ny...

Fanahiana korontana mandritra ny fety : Mpitandro filaminana 500 no hiaro ny eny Anosy

Nananteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ireo mpitandro ny  filaminana telo lafy, miombona ao anatin’ny Emmo, omaly tetsy Ankadilalana. Fantatra tamin’izany fa, eo anatrehan’ny fanahiana ny mety hisian’ny olona na vondron’olona mikasa ny hanakorontana mandritra ny fankalazana ny faha-55 taona niverenan’ny fahaleovan-tena, dia mpitandro ny filaminana  500 no indray hahetsika, eny amin’iny faritra Anosy sy ny manodidina iny, mandritra ny andron’ny 25 sy 26 jona izao. Izany dia ny mba hanaovan’ny rehetra fety am-pilaminana, indrindra fa ho an’ireo olona marobe ho tonga eny an-toerana. Manoloana izany indrindra, dia miantso ny tsirairay ireto mpitandro ny filaminana ireto, mba ho tony sy hiantso avy hatrany ny tompon’andraikitra raha misy zavatra mampiahiahy. Etsy andanin’izay ihany koa, misy hoy izy ireo ny fepetra manokana tsy maintsy noraisina, mba ho fitandroana izay fandriampahalemana sy filaminana izay. Fantatra tamin’izany fa ho tapaka ny làlana miditra iny faritra Anosy iny, amin’ireo andro ireo ary misy ihany koa fisavana ireo fiara miditra sy mivezivezy amin’ireo toerana manodidina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser