- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversIsoraka : Vazaha voaendaka rojo volamena

Isoraka : Vazaha voaendaka rojo volamena

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva, no nitrangan’ilay halatra miharo herisetra omaly. Teratany vahiny iray nandeha an-tongotra no nosintonin’ny jiolahy iray ny firavaka volamena teny aminy, niaraka tamin’ny “pandantif”. Nitsoaka avy hatrany ary rehefa lasa lavidavitra kely dia nanakana fiarakaretsaka ilay olon-dratsy. Rehefa tafiditra tao anatiny tao indray izy dia nisy olona nantsoiny an-telefaonina  faran’izay haingana, dia tonga teo aminy. Nampidirina tao anat’ilay taxi ary nolanjaina ilay volamena dia avy hatrany dia nosandaina vola. Mitentina 1,2 tapitrisa ariary no vidiny izay nomen’ilay mpividy halatra teo no ho eo. Teo dia samy lasa ny roa tonta ary teo koa vao tonga saina ilay mpamily fiarakaretsaka fa hay mpanendaka ilay nentiny.  18 grama ilay volamena raha araka ny fanazavan’ilay teratany vahiny tany amin’ny pôlisy. Midika ity tranga ity fa vola faran’izay haingana ny volamena eo amin’ny boriborintany voalohany. Manarak’izay, efa miasa anaty tambajotra ireo mpanao ratsy. Ny mety indrindra izany, dia ny tsy miravaka izany rehefa mandeha eny amin’io faritra io…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser