- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversManandona – Antsirabe : Tovolahy iray, maty nitsoraka tao ambany fiara nandeha

Manandona – Antsirabe : Tovolahy iray, maty nitsoraka tao ambany fiara nandeha

Tovolahy herotrerony vao 28 taona, no maty tsy tra-drano rehefa nitsoraka tao ambany fiara, tao Manandona Antsirabe faharoa no nisehoan’ny loza ny herinandro lasa teo.

Tsy nisy nanampo ny loza na ny mpamily ilay fiara, na ny fianakavian’ity namoy ny ainy ity fa tampoka, tao anatin’ny segondra vitsy monja no nisehoan’ny loza. Niara-dia tamin’ny fianakaviany teny an-dalambe ilay tovolahy, fantatra fa kambana izy io ary niaraka taminy ilay kambana aminy. Nandalo ny fiara “taxi-brousse” iray avy any Atsimo, nirimorimo hizotra hianavaratra, poa tahaka izay, efa any ambany fiara nohosihosen’ny kodiarana  ilay tovolahy vao tazana, nahatsiravina ny loza fa potika tanteraka ny vatany ary nosokirina tao ambanin’ilay fiara vao afaka. Ny nanatri- maso no nilaza fa avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ilay fiara nandeha ilay tovolahy. Fantatra moa  fa tsy dia salama saina izy io, ary matetika no tsy dia tompon’ny tenany loatra ihany koa ka mila arahina foana. Tampoka anefa ny loza dia izao izy  namoy ny ainy tamin’ny fomba mahatsiravina izao, voalaza anefa fa  tsy mba fanaony ny tahaka izao. Taorian’ny loza, nasaina nanatitra ireo mpandeha aloha ny mpamily ilay fiara ary ny nanokatra ny fanadihadiana kosa ny mpitandro ny filaminana.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser