#Soavinandriana. Ankizy iray maty nodomina « taxibrousse ». Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ihany koa, teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra ny tananan’i Soavinandriana, ny sabotsy lasa teo. Ankizy 14 taona iray no namoy ny ainy, rehefa avy nodomina « taxi-brousse » iray, teo amin’ny tanana antsoina hoe Ampary. Raha ny fampitam-baovao, dia fiara mampitohy an’Analavory sy Soavinandriana ity namoa-doza ity. Sendra niampita tampoka ity ankizy ity no nipoitra tampoka koa ilay fiara. Naratra mafy ilay ankizy ary nentina haingana teny amin’ny hôpitaly, saingy namoy ny ainy teny an-dalana ilay voadona. Efa mandeha ny fanadihadiana tamin’ity loza ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana.
#Manerinerina. Fiara nidona tamina vodihazo, olona iray maty, roa hafa naratra mafy. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny indray. Fiara iray no niala lalana ary nidona tamina vodihazo teo Manerinerina, Ankazobe, ny zoma vao maraina teo. Vokany olona iray maty no maty ary roa hafa naratra mafy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana hainga avokoa ireto naratra ireto.
#Analavory. Fatin-dehilahy nitsirara teo am-povoan’arabe. Lehilahy iray manodidina ny 25 taona teo ho eo no hitan’ny olona nitsirara efa tsy misy aina intsony, teo am-povoan’arabe, teny amin’ny faritra Analavory iny, ny sabotsy lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia feno ratra tanteraka ny vatan’ity lehilahy ity. Raha ny fizahana natao tamin’ny razana, dia nambara fa hoe avy novonoina ity lehilahy ity ary io natsipy teo am-povoan’arabe io ny razana avy teo. Efa mandeha ny fikarohana izay olon-dratsy nahavita nanao izao vono olona izao, raha ny fantatra.
Nangonin’i m.L