- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversOniversiten’Andrainjato : May indray ny « Prefa P », iray volana taorian’ny...

Oniversiten’Andrainjato : May indray ny « Prefa P », iray volana taorian’ny fahamaizan’ny « prefa S »

Nitrangan’ny fahamaizana indray ny tranon’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Andrainjato, « Prefa P », tamin’ny antoandron’ny alatsinainy 24 aogositra tokony ho tamin’ny 11 ora sy fahefany. Tao amin’ny bloc P2 no niatombohan’ny afo. Niara-nirohotra namono ny afo tamin’ny fitaovana teo am-pelatanany ireo mpianatra teny an-toerana raha vao nahita ny firehetana. Tamin’ny 12 ora mahery no tonga teny an-toerana ny fiara mpamono afon’ny kaominina sy an’ny Adema.  Ny fampiasana mpianatra iray fera fipasohana ka nahatonga fifandonana herinaratra, na « court circuit », ka voalaza fa anton’ny fahamaizana. Andaniny koa ny fahanteran’ny fotodrafitrasa ho an’ny herinaratra (installation électrique) amin’ireo trano ireo, araka ny nambaran’ny talen’ny fandraharahana sy ny ara-bola (DAF) ao amin’ny Oniversite Fianarantsoa, Atoa Andriamihaja Germain. Efitra 12 no simba vokatry ny fahamaizana. Kila niaraka tao koa ny entana  sasantsasany, ny sasany kosa potika tamin’ny fanavotana azy tao. Mpianatra 60 no tra-boina vokatr’izany. Apetraka vonjimaika ao amin’ny efitra fianaran’ny sampana « Sciences sociales et dévéloppement» kilasy voalohany ireo mpianatra tra-boina, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny delegen’ny mpianatra ao amin’ny bloc P. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zavanitranga ny tompon’andraiki-panjakana teto amin’ny faritra Matsiatra Ambony notarihin’Atoa Herisalama solontenan’ny lehiben’ny Faritra.

S.Y.M

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici