- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversToliara : Tara fandoavana faktiora, tonga dia tapaka ny jiro sy rano

Toliara : Tara fandoavana faktiora, tonga dia tapaka ny jiro sy rano

Maro ny mpanjifa ao Toliara no mimenomenona amin’ny fihetsika afitsok’ireo mpiasan’ny Jirama sasany tonga dia manapaka jiro na rano avy hatrany sy mandrahona hanongotra ny kaontera, raha vao tara andro vitsy aorian’ny daty farany tokony handoavana ny vidin-jiro sy rano. Gaga hatramin’ny mpanjifa efa nandoa ny faktiorany tamin’ny alalan’ny finday (M’vola, Orange Money), nefa tonga ny Jirama hanapaka jiro. Leo amin’ny fomba fiasa tsy manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ny ankamaroan’olona efa nandoa vola.

Nitondra fanazavana manoloana ny tranga mateti-piseho ity ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama, ary nilaza fa noho ny fahataran’ireo orinasam-pifandraisana mampita ny tambazotra any amin’ny Jirama no fototry ny olana. Mba hisorohana ny mety ho fahatapahan-jiro, hialana amin’ny fanakianana be fahantany hoe : « tia tena ny Jirama », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity, dia tokony handoa avy hatrany faktiorany ny mpanjifa raha vao mahazo hafatra amin’ny findainy.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici