Tovovavy iray mbola mpianatra nanala Bepc farany teo (tsy afaka) no maty nanala zaza an-tsokotsoko, ny talata teo, tany Toliara. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray, dia nifankatia tamin’ny lehilahy iray ity tovovavy ity, saingy rehefa bevohoka izy dia nipitsika azy ilay sakaizany. Noho ny tahotra ny ray aman-dreniny dia ny hanala maika io zaza ao an-kibony io an-tsokotsoko no masaka tao an-dohan’ity tovovavy namoy ny ainy ity. Ny reniny sendra niditra ny efitranony no nahita azy nandeha rà be ny fivaviany, ary niezaka nitantara ny zava-misy tamin-dreniny rakalakely. Noezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana nefa tsy tana intsony ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.
Eric Manitrisa