- Publicité -
samedi 1 avril 2023
- Publicité -

Tapatapany

# Taxi-be roa nifandona ka nandratra olona telo. Omaly maraina no nitrangan’izany tetsy Soarano. Raha ny fitantaran’ny olona dia nifanenjika ireo fiara fitaterana ireo. Tsy nisy ny aina nafoy ary nentina navotana teny amin’ny hopitaly ireo olona naratra. Toerana izay tsy tapaka olona mihitsy i Soarano, indrindra rehefa andavan’andro. Dia mbola sahin’ireo taxi-be hatrany ny nifanenjika noho ny fitiavana hahazo kely noho ny hafa rehefa tonga aloha eo amin’ny toeram-piantsonana.

# Mivoatra ny teknolojia ary mizotra manaraka ny onjan’izany ihany koa ny asa fisolokiana. Misy olona mandefa sms milaza fa nahazo loka goavana avy amin’ny orinasa lehibe iray mpamokatra. Rehefa mifanazava elaela eo amin’ny sms eo, satria tsy mety antsoina ilay laharana, dia avy amin’izay ny fangatahana vola mba hahatongavan’ny loka. Misy ny olona roboka tao anatin’izany ka nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici