- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
DomicileFaits-DiversHetsika tao Mahamasina : Fifanosehana teo am-pidirana, olona 20 naratra

Hetsika tao Mahamasina : Fifanosehana teo am-pidirana, olona 20 naratra

Nisy ny tapaka, tao ny vaky loha, ny tsy nahatsiaro tena, sns. Am-polony maro teo no naratra nandritra ny hetsika iray nataona fahitalavitra tsy miankina tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina teny Mahamasina, omaly. Raha ny isa voaray teo anivon’ny hôpitaly, tamin’ny ora nialanay teo an-toerana dia manodidina ny teo amin’ny 20 teo no isan’ireo olona ireo. Mbola misy ihany anefa ny taterin’ireo mpamonjy voina, izay voatery nampiasa fiara maromaro teny an-toerana. Zazakely am-bolana anakiroa no kely indrindra, izay mbola ao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena tanteraka, raha ny fantatra hatrany. Misy amin’ireo maratra sasantsany ihany koa no mbola ao amin’ny sampana fameloman’aina. Vokatry ny fifanosehana teo am-pidirana no anton’izao fahavoazana nihatra tamin’ireo olona ireo izao. Azo lazaina tokoa mantsy fa nahavory olona maro teto an-drenivohitra tokoa raha ity hetsika iray ity. Vahoaka aman’arivony no tonga teny an-toerana hijery an’ilay hetsika. Mety ho fahadisoana avy amin’ny mpikarakara ve, ka tsy voatsinjo mialoha ny mety hisian’ny olona be dia be toa izao ? Efa nisy ihany anefa ny mety ho fisorohana izay fifanosehana izay, satria nanomboka tany amin’ny 10 ora maraina tany ho any no nosakafana ny vavahady fidirana, izay tsy misy afa-tsy tokana monja. Ary irony mpiambina sivily irony no natao niambina sy nandamina ny olona. « Amin’ny hetsika mety hahavory olona maro tahaka izao dia tokony hiantso mpitandro filaminana foana ireo mpikarakara. Efa manana traik’efa manokana amin’ny fomba hifehezana ny olona marobe mantsy izahay » hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny kaomisaria eny Mahamasina. « Na izany anefa dia efa nandray ny andraikitray ihany izahay, tany amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana ». Nanomboka tany amin’ny roa ora tany ho any no nitranga izay, rehefa tsy voalamina intsony ireo olona teo am-pidirana. Nisehoan’izany ihany koa tao anatiny tao, raha ny fanazavana azo hatrany. Tsy vao izao tokoa no nisiana fampisehoana nandratrana olona maro, vokatry ny fifanosehana eo am-pidirana hatrany, teo an-drenivohitra. Inoana fa hisy ny fepetra horaisin’ireo mpikarakara amin’ny manaraka hisorohana ny zava-mitranga toa izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

3 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici