- Publicité -
vendredi 31 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversManinday Toliara : Tanin’ny oniversite 325 ha misy mibodo, misy manorina trano

Maninday Toliara : Tanin’ny oniversite 325 ha misy mibodo, misy manorina trano

Alain’olona an-keriny ny tanin’ny oniversiten’i Toliara mirefy 325 ha. Misy ireo efa manorina trano ao amin’ny «campus», 5 m miala ny «amphi» toeram-pianarana. Efa ho iray taona izao no nampirongatra ity fakan’olon-tsotra ny tanin’ny oniversite ao Maninday ity. Ny loza dia misy amin’ireo andian’olona mpibodo tany no mivezivezy ao amin’ny faritry ny sekoly mitondra fitaovam-piadiana ary mandrahona ho faty an’ireo mpampianatra izay manana tany eny, ary dia anisan’ny alain-dry zareo an-keriny. Manaitra ny mpitondra ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Pr Dina Alphonse mba hamaha faran’izay haingana an’ity raharaha ady tany ao Maninday ity fa sady mampitebiteby no manakorontan-tsaina ny mpianatra sy ireo mpampianatra mpikaroka rehefa mampianatra.

Misy mandrahona ho faty. « Hivaha tsy ho ela ity ny olan’ny Seces nitokona roa volana mahery, nefa mandrahona hitokona indray ireo mpampianatra mpikaroka nalaina an-keriny ny taniny, noho ny tahotry ny ain’izy ireo, satria hatramin’izay tsy nahomby hatrany ny vahaolana naroson’ireo tompon’andraikitra », hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Pr Dina Alphonse, nitafa tamin’ny mpanao gazety. « Tsy manam-basy na fitaovam-piadiana hafa izahay, ka tsy afaka hifanandrina hiady amin’ireo olona mpibodo tany mitondra fitaovam-piadiana. Vahaolana tsotra sy mahomby hiverenan’ny filaminana maharitra eto Maninday, ny fandroahan’ny manam-pahefana miaraka amin’ny mpitandro filaminana an’ireo olona maka an-keriny ny tanin’ny oniversite », hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toliara.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici