- Publicité -
jeudi 23 mars 2023

Tapatapany

#  Ambohimangakely. Zaza nisy nangalatra hita. Tany an-tranon’olona teny Androndrakely no hita ny ankizy iray 4 taona, voalaza fa nisy nangalatra teny Antanambao Ambohimangakely, ny alatsinainy 14 septambra. Voalaza fa olona iray no nampisotro toaka an’ilay zaza  ary io no nitondra azy. Io alatsinainy io, tsy hita tampoka ity zaza ity, raha nilalao teo an-tokotaniny. Nitady azy ny havany nefa tsy nahita. Nampilaza tany amin’ny zandary ary natao ny fikarohana. Tonga teny Ankadikely ny fanarahana azy, ka fantatra fa tovolahy iray no niara-nilalao taminy. Avy tamin’izany no nahitana azy. Mbola karohina kosa ilay voalaza fa nampisotro toaka azy.

#  Ambohimangakely. Tratra ilay nangalatra vola 4 tapitrisa ariary. Voasambotra ihany ny tovolahy iray 18 taona, mpiasa tao amin’ny tokantrano iray. Niaraka tamin’ny tompony nampirina io vola io ity olona ity. Nalevina izany vola izany. Samy lasa nandeha avy eo. Tsikaritry ny tompony anefa afaka fotoana fohy, fa nisy nikitika ilay toerana nandevenana ny vola. Nojerena ka tsy tao intsony. Avy hatrany dia nemetraka fitarainana teny amin’ny zandary Ambohimangakely ireo very vola. Natao ny fikarohana, ka hita teny amin’ny tranon’ny rahalahiny teny Ankadifotsy ireo vola ireo, ny alarobia 16 septambra ary tsy mbola nahabangana.

# Tsaratanana. Fitsaram-bahoaka, olona iray matin’ny fokonolona, iray hafa maty voatsindrona antsy. Nisy fifandonana teo teo amin’ny fokonolona roa tao amin’ny fokontanin’Ambodimanga sy Miadandririnina, samy ao amin’ny distrikan’i Tsaratànana. Raha ny fampitam-baovao azo, dia nisy tsimandrimandry tao amin’ity farany ity, ny alin’ny 06 septambra lasa teo. Ny maraina anefa dia fatin-jazalahy voatsindrona antsy no hitan’ny fokonolona. Tezitra tamin’izany ireto farany, ka avy hatrany dia nanafika ny tananan’Ambodimanga. Namoy ny ainy vokatr’izay indray ny lehilahy iray 29 taona, mponina ao amin’io tanana io. Tonga nanelanelana tany amin’ireto tanàna nifandrafy ireto moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa manokatra ny fanadihadiany kosa ireo mpitandro filaminana.

# Farafangana. Trano 110  indray kilan’ny afo. Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao Lotrananombo, kaominina Ambohiboba, any Farafangana, ny herinandro lasa teo. Trano  110 no indray  kilan’ny afo. Tafakatra any amin’ny 70 tapitrisa ariary any kosa ny fahavoazana ary olona 280 no tsy manan-kialofana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia  olona nahandro sakafo tao amina tokantrano iray  no niandohan’ny loza. Pitik’afo tsy voatandrina, ka naharay zavatra mora mirehitra. Efa tonga tany an-toerana ireo solontena avy ao amin’ny BNGRC, nitondra fanampiana ho an’ireo tra-boina

Nangonin’ i r.s / m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici