- Publicité -
mardi 21 mars 2023
DomicileFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehilahy mpatory an-tsena namoy ny ainy

Ambatondrazaka : Lehilahy mpatory an-tsena namoy ny ainy

Lehilahy lehibe sahabo ho 60 taona any ho any, no namoy ny ainy, teo an-tsenan’Ambatondrazaka, ny marainan’ny  18 septambra 2015 . Araka ny nambaran’ny manodidina, dia lehilahy mpatory an-tsena ity lehilahy ity, ka tsy fantatra loatra ny nahazo azy na vokatry ny hatsiaka na ny hanoanana diso tafahoatra  ,satria mbola nirakotra bodofotsy izy no nisy nahita niala aina io maraina io. Mitombo isa izay tsy izy mantsy ireo mpatory an-tsena eto amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao , na ankizy na vehivavy na olon-dehibe dia hita mitandahatra mivalampatra isak’ireo vodirindrin’ny tsena sy ireo trano fivarotana. Araka ny loharanom-baovao, dia tao aorian’ny fidinan’ny fanjakana nandroaka ireo olona mpangady vato tsy ara-dalana tao amin’ny ala harovana ao Zahamena, no tena hita nampitombo ireo mpatory an-tsena. Tokony hisy araka izany ny fepetra horaisina mahakasika izany, satria lasa miteraka fahasorenana ho an’ireo tompon’ny tsena isaky ny maraina  , ary eo ihany koa ny hitandrovana ny tsy fandriampahalemana ; izay manjaka tato ho ato ny vaky trano sy ny hala-botry.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici