- Publicité -
lundi 20 mars 2023
DomicileFaits-DiversNanisana : Cybercafé nilatsaham-Baratra, vehivavy iray torana

Nanisana : Cybercafé nilatsaham-Baratra, vehivavy iray torana

“Cyber” iray tetsy Nanisana no nilatsaham-potaka ny asabotsy hariva teo,  tokony ho tamin’ny 4 ora sy 15 minitra, nandritra ny varatra nirefodrefotra be narahina oram-be nikija nitranga teto an-drenivohitra sy ny manodidina. May kila nirefotan’ny varatra avokoa ny fitaovana rehetra tao, toy ny solosaina (ordinateur de bureau sy portable), “Box wifi”, “imprimantes, sns. Tovovavy iray 23 taona izay nampiasa solosaina fitondra an-tanana tao amin’ity “cyber” ity no safotra torana nitambositra tampoka teo am-pihenoana hira tamin’ny “casque” noho ny hatairana, rehefa nirefotra ny solosaina finday nampiasainy. Fitahian-janahary ny tsy nahamay kila forehitra azy, raha ny fanazavana azo. Araka ny vaovao voaray hatrany dia nilatsaka ary nirefotra teo amin’ilay “Box wifi ADSL” mandray sy manaparitaka ny tambajotra ny tselatra, avy eo nadady tamin’ireo solosaina maromaro mbola velona tamin’io fotoana io. Fa teny Ambatobe kosa tamin’io andro io ihany, nilatsaka sady nirefotra be teo an-tokotanin’olona ny varatra. Taitra ny iray tanàna sady torankovitra. Soa ihany fa somary nihataka kely ny trano iray tsara tarehy vao amboarina, ka tsy nisy aina nafoy na olona naratra sy fahasimban-javatra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici